MÉTHODOLOGIE POUR UNE BONNE DISSERTATION PHILOSOPHIQUE AU BACCALAURÉAT Proposée
MÉTHODOLOGIE POUR UNE BONNE DISSERTATION PHILOSOPHIQUE AU BACCALAURÉAT Proposée par Fr RASOLONDRAIBE Tsiky Marcel 23 Novembre 2010 MÉTHODE DE DISSERTATION PHILOSOPHIQUE Mba ho tsara ny « dissertation » dia mila mampiasa « méthode ». io « méthode » io anefa tsy hay raha tsy tena mikatroka manao « dissertation ». A- FOMBA FANAOVANA « DISSERTATION PHILOSOPHIQUE » Ny zavatra hatao ao dia fanamarinana (justification), fanaporofoana (preuve), fandresen-dahatra (argumentation) ary fizohian-kevitra (raisonnement). Tsy maintsy hamarinina sy porofoina ny zavatra rehetra lazaina, ny hevitra, ny fanohanan- kevitra (thèses). Tsy misy dikany ny zavatra lazaina maimaim- poana tsy voaporofo (les affirmations sans preuve valable ne valent rien). Ny tanjona amin’ny « dissertation » dia handresy lahatra ny mpitsara. Tsy famerenana ny lesona nianarana velively (question de cours) ny famaliana ny fanontaniana filôzôfika fa famahàna olana miepetraka (examen d’un problème philosophique). Tsy famerenana ny lesona ao anaty kahie no atao ao fa fandinihanao samirery ireo fahalalalana rehetra azo momba io lazadina (sujet) io. Tena tsy maintsy fandinihanao samirery io. Ireo fahalalàna azo tamin’ny « cours » entina hiatrehana ny lazadina fa tsy ireo lesona ireo indray no hadika. Vao mipetraka ny Sujet dia izao eritreretina : Hevitry ny mpandinika talohanao io apetraka hodinihina io Ex : Hoy i Protagoras : « L’homme est la mesure de toute chose ». Ny hijery izay marina amin’io sy izay diso amin’io no andrasana aminao mpianatra raha hanao « dissertation » an’io. Amin’ny 1ere Partie dia tadiavinao izay mahamarina an’io hevitr’olona apetraka eo io. Izay lafiny mahamarina an’io dia lazainao daholo. Amin’ny 2ème Partie dia tsikerainao indray io hevitry ny mpandinika taloha io. Tsy hoe ilay efa marina teo no lasa diso indray fa tsy feno io, mila ampiana. Ireo rehetra ireo no itsikeranao azy ato amin’ity fizaràna ity. Ohatra:Tsy feno / tsy ampy anefa io fa hadinony fa…koa ny…fa tsy…fotsiny. Amin’ny 3ème Partie: Ao no ilazanao izay ekenao sy lavinao amin’io tenin’ny mpandinika taloha io sy ametrahanao ny “solution” avy aminao. 1è Partie dia mipetraka eo amin’ny toeran’ny niteny ilay “sujet” ianao, “avocat”. Resenao lahatra hino ny fahamarinan’io “these” io ny “correcteur” mitsara ny “feuille”. Tsy afaka manohitra na manampiditra ny hevitrao manoloana an’io aloha ianao fa milaza fotsiny izay tokony ho heviny. Marihina fa ny 2è & 3è Partie dia hevitrao samirery no aposaka (Personnelle). Ity ny ohatra anazavana ny voalaza rehetra teo: Laza adina: Hoy ny mpandinika: “La liberté est l’absence de contrainte”: “Ny fahafahana dia ny tsy fisian’ny z avatra maneritery”. PREMIÈRE PARTIE Amin’ny 1ere Partie dia tadiavinao izay mahamarina an’io hevitr’olona apetraka eo io. Izay lafiny mahamarina an’io dia lazainao daholo. 1è Partie dia mipetraka eo amin’ny toeran’ny niteny ilay “sujet” ianao, “avocat”. Resenao lahatra hino ny fahamarinan’io “these” io ny “correcteur” mitsara ny “feuille”. Tsy afaka manohitra na manampiditra ny hevitrao manoloana an’io aloha ianao fa milaza fotsiny izay tokony ho heviny. HEVITRA HANAZAVANA AZY Si on veut être libre, il faut supprimer toute contrainte, toute loi. Raha te-ho afaka tsy misy maneritery tokoa dia tsy maintsy esorina daholo izay rehetra tsy manome fahafahana, izay maneritery mba tsy hisy geja mamatopatotra. Asiana ohatra hanazavana izany ary tsara raha asiana tenina mpandinika hafa aza (citation). DEUXIEME PARTIE Amin’ny 2ème Partie dia tsikerainao indray io hevitry ny mpandinika taloha io. Tsy hoe ilay efa marina teo no lasa diso indray fa tsy feno io, mila ampiana. Ireo rehetra ireo no itsikeranao azy ato amin’ity fizaràna ity. Ohatra:Tsy feno / tsy ampy anefa io fa hadinony fa…koa ny…fa tsy…fotsiny. HEVITRA HANAZAVANA AZY Absence de contrainte supprime la libérté, entraine de l’aliénation. Rehefa tsy misy ny zavatra manery dia amin’izay no vao mainka tsy misy ny fahafahana satria manimba ny fahafahana izany. Vao mainka indray aza voageja bebe kokoa. Ohatra : Raha avela hanao ny tiany ny zaza fa tsy terena hianatra dia andevozin’ny habadoana, andevozin’ny fitiavan- tena, izany hoe tsy olona afaka. Hadinony fa io fahafahana tsy misy zavatra manery io dia tsy tena fahafahana. TROISIEME PARTIE Amin’ny 3ème Partie: Ao no ilazanao izay ekenao sy lavinao amin’io tenin’ny mpandinika taloha io sy ametrahanao ny “solution” avy aminao. HEVITRA HANAZAVANA AZY Si on veut être libre, il faut de contraintes, des lois. Mila zavatra manery vao afaka tena ho olona afaka. Mila lalàna koa. Raha tsy misy manko ny lalàna dia korontana no misy fa tsy misy ny fahafahana. Ohatra : Raha samy manao ny tiany ny olona tsirairay ka ho foanana izay rehetra mety ho maneritery (làlàna) satria te-ho libre sy ho afaka dia tsy hisy mihitsy ny fahafahana. Raha tsy misy lalàna mandrara ny halatra dia mahazo mangalatra ny olona fa tsy teren’ny lalàna intsony. Raha tsy misy anefa ny lalàna dia ny matanjaka sy ny be sandry no manjaka ka tsy manana fahafahana handeha am-pilaminana miantsena intsony ny olona fa matahotra ny mpangalatra. Izany no ilazana fa raha te-ho afaka dia mila lalàna hanery ny rehetra hanara-dalàna amin’izay dia milamina tsara ny fiaraha-monina. Rehefa teren’ny lalàna ny rehetra dia libre ny tsirairay ary afaka mamokatra tsara tsy matahotra mpangalatra na mpamono. 1è & 2è Partie : Samy te-ho afaka ( être libre) Problematique : Inona no atao mba ho tena afaka (satria samy toa tsy feno ireo 1&2 ireo). Ilaina ve ny faneriterena sa tsia ? HEVITRY NY TENA : Ao amin’ny Synthèse (3è Partie) sy ny Conclusion) Isaky ny fizàrana (par partie) Hatanjahina tsara ny fanazavana handresy lahatra. Analyse Exemple DÉMONSTRATION Citation A- INTRODUCTION Dans laquelle le problème doit être posé clairement. (Ao no ampahafantarana ny correcteur ny olàna ho vahaina). Tsy maintsy efa hita ao amin’ny Introduction ireo thèse roa mifanipaka. B- DÉVELOPPEMENT Au cours duquel le problème doit être examiné (exposer des thèses en présence et de leurs arguments. Et les aussi solitionner en detail. Miezakamamahavaha ny olana mipetraka, manazava, manaporofo. MÉTHODOLOGIE POUR UNE BONNE DISSERTATION PHILOSOPHIQUE AU BACCALAURÉAT Proposée par Fr RASOLONDRAIBE Tsiky Marcel 23 Novembre 2010 C-CONCLUSION Elle doit énoncer de manière explicite et brève au problème posé dans l’introduction. Tokony ho hita ato amin’ny Conclusion fa voavaha ilay olana nipetraka tao amin’ny Introduction. Apetraka ao amin’ny Conclusion ( averina lazaina) ny vahaolana hita ao amin’ny 3è partie fa tsy atao lava sahala amin’io fa lazaina fohy sy mifintina.² ATAO AHOANA NY MANAO “INTRODUCTION”? a)-Asiana tari-dresaka manodidina ny “sujet” aloha. b)-Izany angamba no mahatonga an-DRanona miteny ny hoe “…” (Sujet). c)-Satria tokoa moa(mantsy)…ka tsy tokony ho…ve? En effet... d)-Kanefa koa.... Cependant... e)-Noho izany tsy tokony ho...ve? Ainsi … ny famaliana misesy ireo fanontaniana mipetraka ireo no hiezahana hamahana io olana apetraky ny laza adina io. (C’est en répondant respectivement à ces questions que nous allons tâcher de résoudre le problème) Ao amin’ny c)- sy d)- dia ny fihevitry ny olona tsotra andavanandro ireny no atao ao ny fihaviny. Efa PLAN io no sady petrak’olana (problematique). Anatin’io Plan io no ametrahana ny olana ho vahaina. Tsy misy zavatra anampiana an’ireo intsony fa io somary fanontaniana io izany petrak’olana izany. MBA HO TSARA NY DISSERTATION 1- a)-Fantarina ny dikan’ny teny tsirairay amin’ny laza adina Liberté et contrainte sont-elles compatibles ? Afa-miaraka ve ny faneriterena sy ny fahafahana. Liberté ? Inona ny dikany ? : Fahafahana tsy fisian’ny zavatra maneritery. Contrainte ? Inona no dikany ? Faneriterena avy ety ivelan’ny tena (lalàna,fiaraha-monina,sns) Compatibles ? Inona no dikany ? : Miaraka tsy misaraka fa sady libre no voateritery, sady voateritery no libre. b)-Inona indray no dikany fahazoanao io laza adina io ? Ny fahazoako io laza adina io dia mangataka ahy hilaza raha toa ka mety ny hiarahan’ny faneriterena sy ny fahafahana izany hoe na misy aza ny faneriterena dia tsy misaka tsy ho afaka, ary koa na eo aza ny fahafahana tsy maintsy misy ihany ny faneriterena. 2- Tadiavina daholo ny hevitra rehetra ho entina manazava io laza adina io, avy eo fidina izay hevitra mahazava azy, atambatambatra izay mitovitovy dia manome hevitra iray. Fantenana koa izay tsy ilaina satria hita ho maivana. Alahatra avy eo izay holazaina voalohany, faharoa, fahatelo. 3-Atsangana ny Plan (drafitry) ny asanao. Horesahina voalohany ary ny… avy eo ny… ary farany ny… Ohatra: 1-Liberté est sont icompatibles: Sarotra be ny hiarahan’ny fahafahana sy ny zavatra maneritery. a)-Raha misy ny maneritery (lalàna, disciplines) dia tsy misy ny fahafahana(tsy libre). Raha tsy misy kosa ny zavatra manery (lalàna, discipline) dia misy ny fahafahana satria mahazo manao izay tiana. Hohazavaina lavalava aloha izay Ohatra anazavana azy: Tsy avela hanao an’izao ny olona iray…Tsy libre izy amin’izany satria tsy avela (noho io lalàna manery io). Raha avela hanao izay tiany ary tsy sakanana amin’izany kosa izy dia olona afaka manana fahafahana. Manamarina izany ny tenin-DRanona milaza hoe: “……………………”. 2-Raha tsy misy ny zavatra manery (lalàna sy disciplines) dia tena tsy hisy koa ny liberté. Hohazavaina lavalava aloha izay Ohatra anazavana azy: Raha samy mahazo manao izay tiany daholo ny rehetra fa tsy misy lalàna mandrara hoe ny ... tsy azo atao dia hanjaka ny halatra isan-karazany dia vao mainka tsy misy ny fahafahana satria ny matanjaka no manjaka. Manamarina izany ny tenin-DRanona milaza hoe: “……………………”. 3- Discipline et liberté sont compatible. Afa-miaraka ny zavatra manery sy ny liberté. Rehefa uploads/Philosophie/ demonstration-ohatra-raha-avela-hanao-ny-tiany-ny-zaza-fa-tsy-terena.pdf
Documents similaires










-
31
-
0
-
0
Licence et utilisation
Gratuit pour un usage personnel Attribution requise- Détails
- Publié le Mar 28, 2022
- Catégorie Philosophy / Philo...
- Langue French
- Taille du fichier 0.7495MB